
Ny 8 martsa lasa teo dia niharan’ny fangalarana ny lakolosin’ny fiangonana FJKM tao Ambodivoanio, Mananara avaratra. Efa nisy ny fitoriana sy fitarainana nataon’ireo mpino sy ny pasitera tany an-toerana tamin’izany ary nanomboka tany ny fanaraha-maso natao mikasika ity raharaha ity. Dimy volana aty aoriana dia nody ventiny ny hetsika nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona ary ireo mpino tao amin’ity fiangonana FJKM tao Ambodivoanio Mananara avaratra ity, satria ny herinandro nivalona iny dia tratra ireto telo lahy voalaza fa nangalatra izany. Mbola tratra tamin’izy ireo ihany koa ny lakolosy nangalarin’izy ireo tao anatin’izay dimy volana izany, izay heverina fa tsy nahitan’izy ireo mpividy. Nandritra ny fahatrarana azy telo lahy ireto no nahalalana fa mahatratra iray miliara ariary ny iray kilao amin’ireo lakolosy fahiny ireo raha mahavita mamono tambajotra na finday izany, saingy manodidina ny 10 tapitrisa ariary kosa izany raha tsy mahavita izany. Vokatr’izay resa-bola izay no nahatonga azy telo lahy ireo nangalatra ity lakolosy ity izay mitondra ny marika « RF », nefa tsy nahitan’izy ireo mpividy izany, ary efa henjana ihany koa ny fanaraha-maso natao, noho ny firongatry ny halatra lakolosim-piangonana tao Mananara avaratra sy Maroantsetra iny…
Malala Didier