Mbola mitohy ny fikarohana hatramin’ny omaly hariva. Nivadika ny sambo mitondra ny anarana hoe « Corinne », sambo mpitatitra olona sy entana. Vokatr’izany lozam-pifamoivoizana an-dranomasina izany, dia olona telo no namoy ny ainy tamin’ireo mpandeha 24 izay nentiny. Niala vao maraina, manodidina ny tamin’ny efatra, tao Mananara ilay sambo raha araka ny fanazavana azo, ary saika hihazo an’i Maroantsetra. Efa lasa lavidavitra no rendrika ary io nahafaty olona io, teo amin’ny toerana antsoina hoe Vinanivogno. Hatramin’ny omaly dia mbola ireo razana telo aloha no hita natsingevan’ny rano. Olona enina no nanjavona tsy hita popoka ary tsy fantatra na maty na velona. Ankizy mbola tsy ampy taona, 13 sy 17 taona ireo hita faty niaraka tamin’ny ramatoa iray nitondra vohoka. Mbola mitohy hatrany ny fikarohana ary torak’izany ihany koa ny fanadihadiana. Hatreto aloha dia mety nisy nifandraisany tamin’ny toetr’andro izay somary ratsiratsy tamin’ny fotoana nihetsehan’ny sambo, no heverin’ny maro fa mety ho nitarika ny faharendrehan’ity sambo ity. Nisy salotr’aina isaky ny mpandeha ve? Nanana fahafahana manamory sambo ve ireo nitondra azy? Ara-dalàna ve ny taratasin’ny sambo ary nihoatra ny tokony hoizy ve ny vesatra nentin’ilay sambo? Marobe ny fanontaniana mihodidina rehefa mitranga ny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina toa izao.
D.R
Mananara : Sambo mpitatitra, nivadika nahafaty olona telo
Articles qui pourraient vous intéresser