- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Jiolahy 7 nandroba mpandraharaha, tra-tehaky ny mpitandro filaminana

Mananjary : Jiolahy 7 nandroba mpandraharaha, tra-tehaky ny mpitandro filaminana

Noho ny fiaraha-miasa matotra nisy teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny olona tsara sitrapo nanome vaovao marim-pototra ny polisy, dia tra-tehaka tao an-tampon-tanànan’i Mananjary, afak’omaly, ny roa tamin’ireo folo lahy nitam-piadiana nandroba mpandraharaha iray, tao amin’ny fokontany Ambohimandroso, Kaominina Marosangy, Distrikan’i Mananjary, ny 17 oktobra teo, tokony ho tamin’ny 11 alina. Vovo-bolamena 5g sy firavaka 20g niampy fahana Telma sy Airtel maromaro ary vola an-tapitrisany no lasan’ireo jiolahy tamin’ io andro io. Fa voasambotra niaraka tamin’ny ody gasiny, tany Mahatsara Kaominina ambanivohitra Mahavoky Nord kosa ny roa hafa, ary ireto farany avy eo rehefa nofotorana lalina no nanondro ny toerana nisy ny namany telo lahy. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanàna ny raharaha, dia mbola eo am-pikarohana fatratra an’ ireo jiolahy ambiny tafaporitsaka ny polisy amin’izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici