- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananjary Lehilahy voatondro ho mpandoro trano, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mananjary Lehilahy voatondro ho mpandoro trano, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray sahabo 30 taona mahery eo, voalaza fa tsy an’asa mpirenireny no voasambotry ny andrimasom-pokonolona teny amoron-dranomasina, afak’omaly alina, tany Mananjary. Rehefa nosavaina izy dia nahita « briquet » roa sy afokasoka teny aminy, ka niainga teo ny ahiahin’ireo mpiambina tanàna amin’ny alina, fa iray amin’ireo mpandoro tanàna tao amin’ny fokontany Ankadirano sy Masindrano, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo, izay naha kila forehitra trano miisa 385 ity tra-tehaka, ary natolotra ny mpitandro filaminana. Rehefa nahare ny vaovao ny andian’olona marobe romotry ny hatezerana, omaly naraina tokony tamin’ny sivy ora, dia nirohotra namonjy kaomisarian’ny polisy izy ireo, ary nitaky ny hamoahana an’ity voarohirohy mba hatao fitsaram-bahoaka.

Tondro molotra. Raha araka ny tati-baovao voaray, dia nandritra ny adiny iray sy sasany teo ho eo ny savorovoro sy sakoroka niafara tamin’ny tora-bato. Taorian’izay, dia niezaka nandamina ny raharaha ny mpitandro filaminana sy ny olobe teo an-tanàna, ka niravona ihany ny olana avy eo. Mba ho fiarovana ny ain’ilay lehilahy voaendrikendrika ho mpandoro tanàna, izay naratra mafy tokoa noho ny daroka sy vono nihatra taminy, dia voatery nandray fanapahan-kevitra hentitra ny tompon’andraikitra any an-toerana, ka naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjamben’i Mananjary ity voarohirohy. Efa misokatra moa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fitadiavana ireo porofo marina mahakasika ity raharaha ity, ka ho hita eo ny tohiny.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici