- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Maty novonoin’ny zanany ny ray noho ny resaka tany

Mananjary : Maty novonoin’ny zanany ny ray noho ny resaka tany

Ady tany, io  ny trangam-piarahamonina matetika mpitranga amin’ny distrikan’i Mananjary io. Profon’izany dia mahatratra 80 isan-jato mahery amin’ny raharaha misy ao amin’ny fitsarana ny ady tany.

Ny  herinandro lasa teo, dia nitrangana zavatra mampalahelo tao amin’ny distrikan’i Mananjary vokatry ny ady tany, ny marimarina kokoa, ao Tsaratanana, 90 kilometatra miala ny renivohitry ny distrika. Lehilahy iray no namono nahafaty ny rainy ary nilefa. Tonga tany an-toerana nijery ny zava-misy ny zandary ary mandeha ny  fikarohana ilay olon-dratsy.

Efa betsaka ny ezaka ataon’ny  fanjakana miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny fanomezana karatany ho an’ireo tantsaha mba ho lasa tompony, saingy mbola betsaka ihany koa ny sisa tavela. Resahina manokana eto ihany koa ireo tany  navelan’ny ”colon” izay efa betsaka ny velaran-tany voavolin’ny fokonolona ho fanajariana ny tany, ka mangataka ny ho lasa tompony.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici