- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Mpangalatra jirofo sy mpamaky trano niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mananjary : Mpangalatra jirofo sy mpamaky trano niharan’ny fitsaram-bahoaka

Raim-pianakaviana iray tratran’ny fokonolona nangalatra jirofo sy namaky trano no naratra mafy voafirafiran’ny antsy teo amin’ny lohany sy ny vantany, ny tolakandron’ny alahady teo, tamin’ny 4 ora, tany Namorona, distrikan’i Mananjary. Noho ny ratra mafy sy fahaverezan-drà nahazo azy dia mbola miady amin’ny fahafatesana hatramin’izao ny tenany vokatry ny fitsaram-bahoaka nihatra taminy. Leom-boan’anana amin’ny asa sy fomba ratsiny tsy mety fay mihitsy ataon’ity lehilahy gadra lava ikoizana amin’ny vaky trano ity ny mponina teo an-tanàna, ka raha vao tra-tehaka teo am-pangalarana jirofo izy dia niharan’ny fitsaram-pokonolona avy hatrany. Eo am-pelatanan’ny mpitsabo tokana miasa ao amin’ny CSB II any Namorona ny ain’ ity mpangalatra malaza ity ankehitriny, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici