- Publicité -
samedi, septembre 5, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananjary : Mpangalatra jirofo sy mpamaky trano niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mananjary : Mpangalatra jirofo sy mpamaky trano niharan’ny fitsaram-bahoaka

Raim-pianakaviana iray tratran’ny fokonolona nangalatra jirofo sy namaky trano no naratra mafy voafirafiran’ny antsy teo amin’ny lohany sy ny vantany, ny tolakandron’ny alahady teo, tamin’ny 4 ora, tany Namorona, distrikan’i Mananjary. Noho ny ratra mafy sy fahaverezan-drà nahazo azy dia mbola miady amin’ny fahafatesana hatramin’izao ny tenany vokatry ny fitsaram-bahoaka nihatra taminy. Leom-boan’anana amin’ny asa sy fomba ratsiny tsy mety fay mihitsy ataon’ity lehilahy gadra lava ikoizana amin’ny vaky trano ity ny mponina teo an-tanàna, ka raha vao tra-tehaka teo am-pangalarana jirofo izy dia niharan’ny fitsaram-pokonolona avy hatrany. Eo am-pelatanan’ny mpitsabo tokana miasa ao amin’ny CSB II any Namorona ny ain’ ity mpangalatra malaza ity ankehitriny, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici