Tovolahy iray mpianatry ny oniversite ao Barikadimy Toamasina nivahiny tany Mananjary, no hita faty tao anaty rano ambanin’ny tetezan’ Andovosira, ny alatsinainy naraina teo, tamin’ny 6 ora tany ho any. Raha ny fanazavana azo avy any an-toerana nampitain’ny fianakavian’ny maty, dia ny asabotsy naraina teo ity tovolahy ity no nanomboka tsy hita intsony rehefa niara-nandro tamin’ny namana iray tamin’io renirano io. Nampandre haingana ny olona teo an-tanàna ilay tovolahy niaraka nandro tamin’ilay hita faty, ka natao ny fikarohana rehetra sy ny fombafomban-tany misy, kanefa tsy nahitam-bokatra izany. Fantatra araka ny loharanom-baovao marim-pototra voaray, fa betsaka fadifady amin’io renirano io, ka raha tsy mahatandrina ny vahiny na mandika na manotafady, dia azon-tsampona avokoa, ary tsy vitsy ny namoy ny ainy teo, ka misy andro maromaro mihitsy vao hita ny fatiny.
Eric Manitrisa
Mananjary : Mpianatry ny onivesiten’i Barikadimy, hita faty tao anaty rano
Articles qui pourraient vous intéresser




