- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Tezitra ireo ray aman-dreny Ampanjaka

Mananjary : Tezitra ireo ray aman-dreny Ampanjaka

Manoloana ny fitrandrahana volamena ao Vohilava ataon’ny sinoa, izay voalaza fa manota fady ny fomban-tany sy mandoto ny rano fisotron’ny mponina, dia mitaraina mafy ireo  Ampanjaka sy vahoaka any an-toerana, ary niara-niombom-peo izy ireo nandritra ny lanonana famerenana ny hasin’ny rano, natao tao Ambinanifasina tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohimiarina II, fa tokony horoahina ireto teratany vahiny tsy manaja sy manitsakitsaka ny fomban-drazana amin’ny « Rano Mananjary » izay saro-pady amin’ny Foko Antambahoaka. Araka ny tati-baovao voaray, dia fady hitondrana lamba mena, kisoa, alika, ràn-kena, anaovana maloto, . . . amin’io renirano io, kanefa tsy miraharaha izany fady izany ireo vahiny mitrandraka, fa mbola minia manao izany fandotoana rano manota fady izany, ka handray fepetra hentitra izahay, hoy ireo ray aman-dreny Ampanjaka avy ao Ambohitsara-Est, Mananjary, Ankatafana,Tsaravary, Tsarahafatra, Antsenavolo ary Ambohimiarina II.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici