- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Trano 17 may kila forehitra hotohoton’ ny afo, entana an-tapitrisany...

Mananjary : Trano 17 may kila forehitra hotohoton’ ny afo, entana an-tapitrisany maro lasa lavenona

Nitrangana hain-trano nahatsiravina indray tany Mananjary, afak’omaly hariva, ka trano miisa 17 no indray niaraka may kila forehitra hotohoton’ny afo, tao amin’ny Fokontany Andovosira. Entana an-tapitrisany maro lasa lavenona. Araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia mbola tsy fantatra mazava hatreto ny tena fototra niavian’ny firehetana, izay tokony tany amin’ny enina ora hariva tany ho any no niatombohany afo, ary vetivety dia niparitaka. Noho ny tsy fahatongavan’ny “pompier” mpamonjy voina, dia niady irery niara-nientana nitatitra fasika sy rano namonoana ny afo ny fokonolona teo an-tanàna, ary tany amin’ny sivy ora alina tany ho any vao voafehy tanteraka ny afo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici