- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversManantenasoa Ambohimahitsy : Lehilahy hita faty nihoson-drà tanaty « carrière »

Manantenasoa Ambohimahitsy : Lehilahy hita faty nihoson-drà tanaty « carrière »

Teto amin’ity toerana ity no nahitàna ny razana.

Nilaza ny handeha hivoaka hivalan-drano no nivoahany ny trano ny alina, ny vatana mangatsiakany mihoson-drà no hitan’ny fianakaviany, omaly maraina tetsy amin’ny faritra « Ma colline » Manantenasoa Ambohimahitsy. Lehilahy iray manodidina ny 31 taona any no hita faty tetsy amin’ny toeram-pamakiana vato tetsy amin’ny Ma colline Ambohimahitsy, omaly maraina. Nahitàna ratra, toy ny dian-java-maranitra teo amin’ny lohany, izay no antony, raha ny fitsirihana nataon’ireo tomponandraikitra, nahafaty ity raim-pianakaviana ity. Marihana fa olona mipetraka eny amin’iny faritra iny ihany izy. Tsy lavitry ny toerana nahitàna ny vatana mangatsiakany. Talohan’io nahitàna azy efa tsy nisy aina io intsony, ny alina, tokony ho tamin’ny sivy ora tany ho any no nilaza fa hivoaka handeha hivalan-drano tany ivelan’ny trano izy, araka ny angom-baovao azo. Tany izy anefa dia tsy niverina intsony ! Tsy fantatra aloha hatreto izay antony nahatonga izay ratra nitarika ny fahafatesany izay. Heverin’ny rehetra fa mety ho nianjera avy any ambony ka notatazazan’ireo vato tao anaty « carrière ». Ny andro raha teo orana ka mety nampisolifatra azy. Etsy andanin’izay ihany koa anefa, tsy azo ihodiovirana ihany koa anefa ny petra-kevitry ny hoe nisy namono ary natsipin’izy ireo tao anatin’io toerana famakiana vato io ny razana. Raha ny angom-baovao azo teny an-toerana hatrany mantsy dia toa hoe, telo andro mialoha izao nahafatesany izao dia tsy mitsahatra milaza amin’ny vadiny izy fa hoe « misy zavatra manenjika ary mitetika ny hamono izany ». Tsy fantatra aloha. Saingy na izany na tsy izany, efa nandray an-tànana ny raharaha ireo tompon’andraikitry ny filaminana tonga teny an-toerana ary efa eo am-panaovana fanadihadiana izy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici