- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversManarintsoa : Sakoroka tanaty trano fisotroana, olona iray maty voatsindrona antsy

Manarintsoa : Sakoroka tanaty trano fisotroana, olona iray maty voatsindrona antsy

Efa ny hifamono ho faty mihitsy ny tao an-tsain’ireto olona nikorontana tanaty trano fisotroana iray, teny Manarintsoa Isotry teny ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Tsindron’antsy teo amin’ny tendan-keliny mihitsy mantsy no nahafaty ny lehilahy iray, vokatry ny tsy fahazakan’ireo olona ny fifamaliana nitranga. Araka ny fanazavana azo avy tamin’ny tompon’andraikitry ny pôlisy misahana iny faritra iny, dia tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any izy ireo no nisy nampandre mahakasika ity sakoroka ity, ary tonga avy hatrany teny an-toerana. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay tena zava-nitranga tao amin’io toerana io sy ny anton’ny fifamaliana teo amin’ireto olona ireto sy ity tovolahy voatsindrona antsy ity. Toerana fisotroana zava-pisotro ity toerana ity, ka azo heverina araka izany fa nisy ny tsy nahazaka ny alikaola tao anatiny ka nila vaniny. Mety ho raikitra teo ny fifamaliana sy ny taim-bava ary dia mbola nisy ny tsy nahatsindry fo fa avy hatrany dia nikasi-tànana. Mahatalanjona ihany anefa ny fipoiran’ny antsy tampoka tany amin’ireto olona ireto. Ary tsy mba vazivazy intsony no niainga teo fa avy hatrany dia ny famonoana ho faty mihitsy no nokendren’izay nampiasa ilay zava-maranitra, izay nandetra izany teny amin’ny tendanin’ilay lehilahy nifanandrina taminy. Nandriaka ny rà ary raikitra teo ny fiantsoana mpitandro filaminana. Nentina novonjena tany amin’ny hôpitaly ilay rangahy naratra, saingy noho ilay zava-maranitra tafalentika lalina sy nahazo lalan-drà dia tsy tana intsony ny ain’ity farany. Ary noho izay nisy vono olona izay dia fantatra fa ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy no misahana ny fanadihadiana sy ny famotorana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici