Notafihan-jiolahy efatra misaro-tava ny tokantrano iray tany Ambatolahimanambozona fokontany Mamoriomby kaominina Fidirana distrika Mandoto ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny misasakalina. Tafiditra tao an-trano ireo sady nandrahona ny mpianakavy. Tsy afa nihetsika noho ny tahotra ny rehetra, saingy lehilahy iray tao an-trano no niezaka nanohitra niaro ny fianakaviany sy ny fananany. Naratra mafy vokatr’io fifandonana io ilay lehilahy ary namoy ny ainy rehefa tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana. Lasan’ireo olon-dratsy ny fitaovana toy ny televiziona sy ny finday hatramin’ny vola 9 hetsy tao an-trano. Nandositra mora foana ireo jiolahy taorian’izay. Niantso vonjy ny niharam-boina ka tonga teny an-toerana ny zandary. Rehefa nandeha ny fikarohana taorian’ny fanafihana, ka nanao vela-pandrika sy paik’ady hikarohana ireo olon-dratsy ka voasambotry ny zandary tsirairay ireo jiolahy sy ny mpampiantrano azy tamin’ny 10 maraina.
Natao andrimaso hanaovana fanadihadiana izy ireo ary hatolotra ny fitsarana. « Ny fampiasana ny paik’ady tagnamaron’ny fandriam-pahalemana dia ilaina hisorohana ny tsy filaminana ary mampihena betsaka ny asanjiolahy amin’ny toerana rehetra. Antsoy haingana ireo zandary efa napetraka hanao fisafoana eny ambanivohitra eny », hoy ny fanazavana avy amin’ny fibaikona ny zandary ao Mandoto.
Yv Sam




