Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambatofisainana kaominina Fidirana distrikan’i Mandoto. Ity kaominina ity izay isan’ny tena anjakan’ny asan-dahalo ao Mandoto ary mazàna no manao habibiana ireo dahalo, fa tsy vitan’ny mangalatr’omby fotsiny ihany. Mipaka amin’ny kaominina mifanila aminy ny asa ratsin’ireo dahalo ao Miandrarivo izany, ity farany izay vao tsy ela akory no voatafika ary nahafatesana olona roa, ka ny iray notetitetehan’ireo dahalo araky ny angom-baovao voaray. Tezitra mafy noho io zava-nitranga io ny fokonolona avy ao Miandrarivo ka raha nifanena tamin’ireo fokonolona avy ao Fidirana nitondra ireo dahalo babo ankitelo izy ireo, dia tsy nanaiky fa avy hatrany dia ny fitsaram-bahoaka no niseho. Maro rahateo ireo fokonolona ireo ka notazanim-potsiny na dia teo aza ny mpitandro filaminana. Voalaza fa, ny roa tamin’ireo dahalo azo sambo-belona ireo no matin’ny fitsaram-bahoaka tamin’ny fiandohan’ity heriandro ity. Fantatra, fa iray hafa ihany koa no maty nandritra ilay fanafihana voalaza etsy am-piandohana, maty nandritra ny fifandonana tamin’ny fokonolona niandry tanàna.
Andry N.