- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMandoto : Miaramila iray maty voatifitra, iray naratra mafy, lasan’ny dahalo ny...

Mandoto : Miaramila iray maty voatifitra, iray naratra mafy, lasan’ny dahalo ny kalach sy fahana bala maromaro

Tsy mety milamina fa dia miaina anaty tebiteby hatrany ny mponina ao Mandoto vokatry ny asan-dahalo sesilany miseho efa saika ho isan’andro. Lasibatra amin’izany ireo kaominina manodidina indrindra fa ireo lavitry ny tobin’ny zandary.

Kaominina matetika andrenesana fanafihan-dahalo ny ao Ambary, distrikan’i Mandoto. Nitrangana fanafihana tao amin’ny fokontany antsoina hoe Antevamena tamin’ny herinandro lasa teo. Voalazan’ny loharanom-baovao fa dahalo manodidina ny 16 lahy nirongo fiadiana no tonga nanafika ny tanàna ary saika lasan’izy ireo avokoa ny omby tao amin’io fokontany io, omby manodidina ny 30 eo ho eo. Fotoana vitsy taoarin’ny fanafihana dia efa niroso tamin’ny fanarahan-dia ny fokonolona sy ny miaramilan’ny DAS avy amin’ny toby miaramila 109 ao Mandoto. Teny am-panarahan-dia, rehefa tonga teo amin’ny toerana antsoina hoe Androtrabe, dia raikitra ny fifampitifirana ka lavon’ny balan’ny dahalo ny miaramila iray, iray hafa koa no fantatra fa naratra mafy  voatifitra teo amin’ny tanany. Nalain’ireo dahalo ny basy kalachnickov iray niaraka tamina fahana miisa telo raha ny fantatra hatrany,  tsy nisy tafaverina kosa  ny omby fa nanohy ny diany ireo malaso rehefa izany. Ny harivan’io raha ny fanazavan’ny loharanom-baovao hatrany, tonga naka ny razana ny zandary ary mbola nahatazana ireo dahalo ireto farany saingy tsy nisy sahy nanafika raha ny fanazavan’ny fokonolona fa tsy nahazo baiko hitifitra hono.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici