- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversMandoto : Mirongotra ny halatra omby

Mandoto : Mirongotra ny halatra omby

Tsy any amin’ireo kaominina manodidina lavitry ny renivohitra Mandoto intsony no mirongotra ny halatra omby fa efa ao an-tampon-tanàna mihitsy. Saika ho isan-kerinandro no andrenesana fahaverezan’omby tato ho ato izay, hoy ny loharanom-bavaovao any an-toerana. Fantatra fa omby efatra no very tamin’ny herinandro lasa teo, tao Mandoto tao. Tsy toy ireny fanafihana mpiseho matetika ataon’ny andian-dahalo maro mirongo fiadiana sy manao tifi-danitra ireny no mitraga fa toy ireny joko ireny, na rainizavona. Tsy re tsaika ny hangalan’ireo dahalo ny omby ao am-bala, tsy maka betsaka rahateo ry zalahy fa tsy mihoatra ny roa ny omby angalariny. Ny maraina hamoaka ny omby vao mahatsikaritra ny tompon’omby fa misy banga ny omby. Ny ankamaroany moa efa tsy dia manana omby maro afa-tsy ny ombin-tsarety, nefa dia ireny koa lasa lasibatra ankehitriny. Toy ny tranga niseho tao Antokotanitsara ny fiandohan’ny herinandro lasa teo, omby roa no lasan’ny mpangalatra. Ankaotra izay dia omby roa hafa ihany koa no very tao Tsaramody sy Ampamaha. Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, saingy tsy nahitam-bokany intsony. Tsy ao amin’ny distrikan’i Mandoto ihany no mirongotra ny halatra omby sy ny tsy fandriam-pahalemana fa saika iharan’izany avokoa rehefa distrika mandrafitra ny faritra Vakinankaratra.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici