Rehefa natao ny fitsirahana ny toerana misy ilay finday nitaky ilay vola dia fantatra tany amin’ny faritra Miandrivazo iny no misy ireo olon-dratsy. Nisy ny fanaraha-maso nataon’ireo mpitandro filaminana ka tovolahy iray no tra-tehaka tamin’izany. Tovolahy izay fantatra fa isan’ireo jiolahy raindahiny efa karohina fatratra.
Ny zava-nisy. Ramatoa lehibe iray, mpivaro-kena tao Antsirabe no voalaza fa nisy naka an-keriny raha handeha hividy hena tany Mandoto, ny alahady hifoha alatsinainy teo. “Niala tao an-tranony ity ramatoa ity ary handeha ho any Mandoto-Antsirabe hividy kisoa ny alahady 19 jona 2022 tamin’ny dimy ora maraina ary niantso ny hariva sahabo tamin’ny 6 ora fa tsy tafody noho ny tsy fisian’ny fiara fitaterana mampitohy an’i Mandoto sy Antsirabe ka hiandry ny ampitso vao hitodi-doha hiverina” hoy ny loharanom-baovao. Ny alatsinainy maraina anefa, naharay antso ny zanak’io ramatoa io fa voatazon’ny olon-dratsy izy ary mitaky vola enina tapitrisa ariary, izay tsy maintsy alefa alohan’ny 10 ora maraina tamin’io alatsinainy io, ho tambin’ny famotsorana azy. Noraràna ihany koa tsy hampilaza amin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Na izany aza anefa dia nampandre avy hatrany ny kaomisaria foibe tao Antsirabe ireto farany, izay nandray ny andraikiny avy hatrany. Tetsy andanin’izay ihany anefa, nalefan’ireto zanany ihany ilay vola ary nanamafy sy “niantso ny renin’izy ireo fa voaray soa aman-tsara ny vola”.
“Nanomboka nanao ny fikarohana ka hita tamin’izany fa any Miandrivazo no misy ilay toeran’ilay finday niantsoan’ny mpaka an-keriny. Nisy araka izany ny fiaraha-miasa tamin’ireo polisy ao Miandrivazo ka nanatanteraka fanaraha-maso tamin’ireny kioska ireny”. Tsy ela tokoa, dia nisy tovolahy iray nikasa ny haka vola enina tapitrisa ariary tamin’ny kioska tany an-toerana. “Vantany vao henon’ny mpitandro ny filaminana ilay laharana findain’ilay ramatoa hisintonana ilay vola dia niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana azy”. Tsy nanaiky mora anefa ilehio fa raha vao nahatazana monja ireto pôlisy dia nanao tongotra an-katoka, nitsoaka. Raikitra ny fifanenjehana ary tratra ihany ny farany. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny Miandrivazo ho amin’ny fanadihadiana ka hita teo fa olon-dratsy efa ela nokarohana ity farany. Mbola hofotorana any an-toerana moa ingahirainy, ary fantatra fa ho alain’ny Fitaleavam-paritry ny pôlisy Vakinankaratra, izay miandraikitra ny raharaha. Heverina mantsy fa tsy ity farany irery no tompon’antoka fa mety ho mbola nisy mpiray tsikombakomba taminy tao. “Mitohy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity” hoy ny vaovao
m.L