- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversMandoto : Rangahy iray sy ny zanany vavy maty nilatsaham-potaka

Mandoto : Rangahy iray sy ny zanany vavy maty nilatsaham-potaka

Misesisesy ny tranga fahafatesana olona amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Nisehoana tranga mampalahelo tany andranotakatra, fokotany Ambohimena, distrikan’i Mandoto omaly tokony tamin’ny 4 ora tolakandro. Lehilahy lehibe 41 taona miaraka amin’ny zanany vavy 15 sy ny zanany lahy 17 taona no nilatsaham-potaka. Vokany, maty ilay raim-pianankaviana sy ny zanany vavy, raha tsy naninona kosa ilay tovolahy. Araka ny fantatra dia iny hody avy any an-tsaha iny izy ireo no izao niharan-doza izao. Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka ny eto amintsika ary tsikaritra fa nasika ny varatra. Talohan’izao, efa olona roa no matin’ny varatra teto a-drenivohitra sy tany amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo. Amin’ny ankapobeny loza voajanahary kanefa eo ihany koa ny mety ataon’ny olona. Misy ny mahafehy azy io eto amintsika. Mbola maro ireo zavatra mila tandremana sy tsara ho fantatra amin’izao fotoam-pahavatra izao mba isorohana ny loza tahaka izao. Mila mitandrina hatrany ny tsirairay noho izany.

Yv Sam

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici