- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandoto : Voalaza fa mpangala-jaza, fiara tsy mataho-dalana roa nodoran’ny olona

Mandoto : Voalaza fa mpangala-jaza, fiara tsy mataho-dalana roa nodoran’ny olona

Efa mailo tanteraka amin’ity  tsy fandriampahelamana ity ny olona any ambanivohitra any, hany ka  mora handairan’ny tsaho. Vokany, fiara roa tsy mataho-dalana , an’ireny orinasa misehatra amin’ny fifandraisan-davitra ireny no may nodoran’ny olona, tany amin’iny kaominina Betrohana, ao amin’ny distrika Mandoto iny, rehefa voalaza fa hoe mpangala-jaza.

Ny herinandro lasa teo no nisehoan’ity tranga ity tany amin’iny fokontany antsoina hoe Morafeno. Araka ny fampitam-baovao azo avy tany an-toerana dia nifanandrify indrindra tamin’ny zaza tsy hita tao amin’ity tanàna ity ny fandalovan’ireo fiara tsy mataho-dalana roa ireto. Niely vetivety teo ny resaka fa mety ho nalain’ireo fiara ireo ilay zaza. Romotra tamin’izany ireo fokonolona ka rafitra nanenjika ireo. Sendra ny lalan-dratsy sy ny tampoka ihany koa anefa ireto mpamily ka tsy afa-nanoatra intsony, rehefa tsy afa-nandeha intsony ilay fiara nentin’izy ireo. Olona efatra no nentin’ireo fiara roa ireo ka samy nitsoaka avokoa rehefa nahita ireto fokonolona tezitra nanenjika azy ary samy niezaka nanavotra ny tenany tany anaty kirihitra tany. Araka ny vaovao hatrany dia ny mpamilin’ny iray tamin’ireto fiara ireto no somary taraiky ka voan’ny tora-baton’ny fokonolona ary naratra, saingy avotra ihany. Rehefa tezitra sy tsy nahita ireo olona tao anaty fiara intsony moa ireo mpanenjika dia tany amin’ireto farany no nanamparan’izy ireo ny hatezerany. May kila ireto fiara tsy mataho-dalana roa ireto.

Tao anatin’izany rehetra izany dia nisy tamin’ireo olona tao anaty fiara no niezaka avy hatrany namonjy ny tompon’andraiki-panjakana teo an-toerana sy ny mpitandro filaminana. Ireto farany no niezaka nandamina ireo mponina ary nanazava tamin’izy ireo, fa tsy mpangala-jaza velively ireto olona ireto. Fantatra tokoa mantsy fa handeha hitsirika « pylone » izy ireo amin’io fotoana io, saingy mbola vahiny tamin’ilay toerana ka very làlana sy tafatsofoka tanaty tananan’olona. Nifanandrify indrindra tamin’io anefa no nisy zaza, izay tsy hita izay nalehany tao an-tanana ka io niforona ho azy io ilay tsaho, ary dia izao niafara tamin’ny fandoroana fananan’olona tsy manan-tsiny izao. Mbola any an-toerana manao ny fanadihadiana rehetra moa amin’izao fotoana izao ny zandary ary miezaka hatrany mandamina ny sain’ireo mponina.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici