- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Zazalahy roa naiditra am-ponja

Mandoto : Zazalahy roa naiditra am-ponja

Tsy mbola nisy tahaka ity ! Zazalahikely roa lahy, izay mbola vao 12 taona monja no naiditra am-ponja vonjimaika, noho ny raharaha fanolanana zazavavikely 11 taona, tany Mandoto. Ny talata teo naiditra am-ponja izy roa lahy rehefa avy niatrika ny fampanoavana. Voalaza fa teny an-dalana handeha haka rano ilay zazavavy no nanaovany ny asa ratsiny. Notambazana 200 ariary ilay zaza ary nentiny tany anaty kirihitra. Teo no nanamparan’izy ireo ny filan-dratsiny, tahaka ny ataon’ny olon-dehibe, hoy ny fanazavana. Nitsoaka ireo avy eo, ka olona sendra nandalo no nahita ilay zazavavy efa nalemy. Naiditra hopitaly izy io. Nampandre ny zandary avy hatrany mpitsabo nahita ity tranga ity. Natao ny fanadihadiana ary tratra izy roa lahy. Natolotra ny fitsarana ary izao naiditra am-ponja izao, miandry ny fitsarana azy.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici