Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata no nirehitra ny fiaran’ny lehiben’ny mpiandry fonja ao Mandritsara. Nisy nandoro, raha araka ny fanampim-panazavana. Toa amin’ny fokontany antsoina hoe Maroamboka no nipetraka ny fiara ary tao koa no nisy nandrehitra. Raha araka ny fanampim-panazavana dia vao andro vitsy lasa koa izay no nisy toeran-kafa, toeram-pialamboly, izay an’io mpiasam-panjakana io, no nisy nandoro koa. Mbola samy tsy misy fantatra hatreto na ny nandoro ny trano na ny fiara izay samy an’ilay tompon’andraikitra. Gafy ve no zava-misy sa antony hafa ? Isan’ny andrasana amin’ny fanadihadiana izay nosokafana izany taorian’ny nametrahan’ny voakasika ny fitoriana. Isan’ny misedra olana hatrany ny mpiasam-panjakana amin’ny fanatontosana ny asany, indrindra raha mpiavy ary indrindra koa raha sampana manana fahefana amin’ny fandridràna ny fiainana ankapoben’ny fiaraha-monina. Lasa voatery miaro tena hatrany izy ireo na maka mpiaro manokana. Raha mpitandro ny filaminana dia tsy olana loatra satria maka olona eo anivony izy dia vita. Raha avy amin’ny sehatra hafa kosa anefa izay tsy voatery misy teti-bola mifandraika amin’ny fiarovana manokana dia lasa fahasahiranana no mitranga. Isan’ny sedrain’ny mpiasam-panjakana any lavitra any izany saingy samy miaritra satria izay aloha no zava-misy.
D.R



