- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversMandritsara : Ny mpivady no niady, ny zandary no voafira antsy

Mandritsara : Ny mpivady no niady, ny zandary no voafira antsy

Nandriaka ny rà ary nisy mihitsy ny namoy ny ainy. Izany no nitranga tao Antsirabe-Centre, distrikan’I Mandritsara ny alin’ny alarobia lasa teo. Niainga tamin’ny adin’ny mpivady ny raharaha. Niady tena niady ary tonga hatramin’ny fanenjehan-drangahy ny vadiny tamin’ny antsilava eraky ny tanàna. Samy natahotra ny ainy ny olona ary tsy nisy sahy niditra an-tsehatra nanoloana ny zava-misy. Nampahafantarina ny zava-misy ny zandary ary nidina an-tsehatra avy hatrany. Raha mbola teo am-pandravonana ny raharaha ny mptiandro ny filaminana izay nalefa teny an-toerana, ilay rangahy mbola nentim-po ihany ary tsy nisalasala ny nanindrona antsy ny iray tamin’ireo zandary. Voafiara teo amin’ny lohany izy ary tapaka ihany koa ny ankihiben-tanany. Nahita izany ny zandary hafa dia voatery nampiasa hery amin’izay ary nitifitra avy hatrany. Maty tsy tsa-drano ilay rangahy izay voatifitra teo amin’ny tratrany. Ilay zandary izay naratra mafy kosa nentina teny amin’ny hopitaly ary tsy misy ahiana intsony ny ainy rehefa nahazo fitsaboana. Mbola manaporofo ny maha-mafy ny asan’ny mpitandro ny filaminana ny endri-javatra toa izao indraindray. Misy ny raharaha izay noheverina fa tsy tokony hampiasan-kery kanefa tsy maintsy niditra tamin’ny fitifirana ihany satria feno ny fepetra fiarovan-tenan’ny mpitandro ny filaminana. Maharary ny mamono olona izay noheverina ho olon-tsotra kanefa tsy maintsy nitifitra. Etsy andanin’izany dia mbola maro ny faritra eto amin’ny nosy no mampiasa ireny zava-maranitra ireny ho toa ny fitaovana entina amin’ny fambolena no koa entina hiarovan-tena. Teto dia nampiasain-drangahy mba hamonoana ny vadiny ilay antsilava izay tsy tokony nampiasaina amin’izany. Malalaka loatra ny fahazoana azy ireny kanefa ireny hatrany koa no tratra eny amin’ny jiolahy izay nanao asaratsy. Betsaka no mahita fa tokony hojerena akaiky amin’izay ny fanaovana lalàna momba ny fanamboarana antsilava sy sabatra satria mitera-doza ho an’ny fiaraha-monina. Na olona miady eny an-dàlana aza dia mety manana antsilava miaraka aminy ary mety hahafaty olona. Toa ilay tranga izay nisy teny Ankadindravola ny harivan’ny alakamisy teo. Tanora roa mifankahalala no niady ary tsy nisalasala ny iray ny nanindro antsilava ny faharoa izay namoy ny ainy teo ihany. Mila jerena akaiky ny fiparitahan’ireny zava-maranitra ireny satria efa lasa fitaovam-piadinan’ny maro.  

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici