- Publicité -
lundi, novembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandritsara Sofia : Lehilahy iray no maty voatifitry ny miaramila noho ny...

Mandritsara Sofia : Lehilahy iray no maty voatifitry ny miaramila noho ny resaka vola 500 Ariary

Hatairana ny an’ireo olona manodidina ny tanànan’i Morafeno, fokotany Lampibe, kaominina ambanivohitra Marotandrano, any amin’ny distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia, raha naheno ny poa-basy nirefotra nataon’ny miaramila iray mitondra galona  » Adjudant chef,  » izay voamarina ho mpiambina minisitra. Raha ny fampitam-baovao voaray, dia namono nitifitra lehilahy iray tokon’ny 30 taona eo ity mpitandro ny filaminana ity noho ny resaka fifamaliana famerim-bola tsy ampy 500 Ariary nividianana toaka Sôma Gasikara na karepoka telo amin’ny vola 10.000 Ariary ny Sabotsy faha 07 Novambra taona 2026 teo, tokon’ny tamin’ny 02 ora maraina. Taorian’ny loza niseho, dia nidina ifotony tany an-toerana ny kaomandin’ny tombim-paritry ny Zandarimariam-pirenena Marotandrano sy ny mpitsabo, rehefa naharay ny antso an-taribia tamin’ny filoham-pokontanin’ny Lampibe. Rehefa tonga teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza ireto farany, dia hita efa tsy nisy aina intsony ilay lehilahy no nandalovan’ny bala ny teo amin’ny kibony ankavanana, ary nivoaka tamin’ny lamosiny izany. Noentina nalaky namonjy ny vondron-tombim-paritry ny zandary ao Mandritsara ny nahavanon-doza mba ho fisorohana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka hiseho. Araky ny fanazavan’ireo fokon’olona nanatri-maso ny zava-nitranga, dia nisy famadihan-drazana ny tao Morafeno no nahazo fahazoan-dalana tsy hiasa na ( Permission) ilay miaramila, sady nitondra basy poleta marika  » PA PATT  » mitondra laharana 709.038.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici