- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandrosoa : Mpangalatra tsy tafavoaka tao amin’ny trano novakiany

Mandrosoa : Mpangalatra tsy tafavoaka tao amin’ny trano novakiany

Noraisim-potsiny ! Tovolahy iray no voasambotry ny zandary, teo am-pamakiana tranon’olona iray teny amin’iny faritra Mandrosoa Ivato iny. Tsy tafavoaka akory tao amin’ny trano novakiany ity farany dia tonga ny zandary tamin’izay fotoana izay.

Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary dia andro antoandro be nanahary no nanatanteraka ny asa ratsiny ity mpangalatra ity. Nanararaotra ny tsy fisian’ny olona tao amin’io tokatrano io ity farany, hoy hatrany izy ireo ka niditra an-tsokosoko tao an-toerana. Nihevitra ny tsy nisy nahita angamba ity farany ka naka fotoana mihitsy, nijereny izay entana azo nalaina. Tsy nampoizin’ingahirainy anefa, hoy hatrany ny zandary fa hitan’ny mpifanolo-bodirindrina izany fihetsika nampiahiahy nasehon’ity tovolahy ity izany ka avy hatrany dia niantso zandary izy ireo. Tsy ela dia tonga ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny zana-tobim-paritra Mandrosoa. Mbola tra-tehaka tao amin’ilay tokatrano izay hovakiany ingahirainy. Tsy afa-niala ! Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary moa ity farany ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici