- Publicité -
lundi, avril 28, 2025
AccueilFaits-DiversMandrosohasina Antsirabe II : Lehilay iray maty Mandrosohasina Antsirabe II : Lehilay...

Mandrosohasina Antsirabe II : Lehilay iray maty Mandrosohasina Antsirabe II : Lehilay iray maty nilatsaham-potaka

Vao nanomboka nirotsaka ny orana tao amin’ny kaominina Mandrosohasina Antsirabe faharoa dia efa namoizana ain’olona sahady vokatry ny filatsaham-baratra. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano ny faran’ny herinandro lasa teo. Fantatra fa mpampianatra ao amin’ny fokontany Kianjanakanga ity namoy ny ainy ity. Olona efatra no fantatra fa indray nilatsaham-potaka tamin’io fotoana io, ilay mpampianatra sy ny vadiny ary ray aman-drenin’ny mpianatra roa hafa. Teny an-tsaha no niseho ny loza ny sabotsy tolakandro satria teo am-panaovana biriky entina manitatra ny sekoly iadidiany no nilatsaka tampoka ny varatra ka izao namoizina ny ain’ilay mpampianatra izao. Torana tsy nahatsiaro tena izy efatra fa ilay vadin’ilay rangahy kosa no taitra mialoha. Niantso vonjy ity farany noho ny loza nihatra, ny olona teo amin’ny manodidina sy ny fokonolona no niara-nisalahy namonjy ireo tsy nahatsiaro tena nitondra azy ireo tao amin’ny hopitaly Ambohibary. Somary mbola lavaitra ihany ny dia ka vatan-dehilahy maro no nitondra ny niharam-boina tamin’ny filanjana namonjy hopitaly. Ilay namoy ny ainy kosa dia nalevin’ny fianakaviany ny alatsinainy lasa teo. Matetika eto amin’ny faritra no andrenesana olona maty nilatsaham-potaka rehefa fiavian’ny orana tahaka izao. Ao ny mihevitra fa misy mandatsaka izy ireny, ny tsy azo lavina aloha dia toerana halam-baratra eto amin’ny faritra ka tokony ho mailo hatrany ny tsirairay.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici