Nitera-doza indray ny tsirambina ataon’ny mpamily eny amin’iny Lalam-pirenena faha-4 iny. Fiara 4×4 iray no nivadika ambony ambany teny Manerinerina, 147 km miala avy eto Antananarivo. Nitranga izany ny marainan’ny alatsinainy 13 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny 3 ora sy 15 minitra. Araka ny loharanom-baovao dia avy any Mahajanga ity fiara ity izao niharan-doza izao. Nitranga izany rehefa hiditra fiolahana ilay fiara ka tsy nahafehy ny familiana ny mpamily. Vokany, potika tanteraka ilay 4X4 ary naratra avokoa ireo olona telo tao anatiny ka tsy maintsy nalefa haingana ao amin’ny hôpitalin’Ankazobe. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary ao Ankazobe ka nanao ny fanadihadiana nahatonga ny loza. Fantatra tamin’izany fa ny harerahan’ny mpamily no antony. Ity farany izay toa tsy mba nanana fotoana nialana sasatra akory angamba nefa sady mandeha alina no handeha lalan-davitra. Tsy vao sambany no nandrenesana lozam-piarakodia toy izao eny amin’iny toerana iny. Misy ihany ireo toerana nohajariana ahafahan’ireo mpamily fiara miala sasatra eny amin’ireny lalam-pirenena ireny saingy toa tsy fantatr’ireo mpampiasa lalana ny tena ilana azy ireny.
T.M.