- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMangapaika RN4 : « Kamiao nianjera » teo ambony tetezana, nanapaka lalana

Mangapaika RN4 : « Kamiao nianjera » teo ambony tetezana, nanapaka lalana

Nitrangan’ny loza tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora alina tany ho any, teo amin’ny tetezan’i Mangapaika, ao anatin’ny kaominina Berivotra. Nirodana mantsy ity tetezana ity ary fiarabe iray, karazan’ireny mpitatitra tany ireny no tavela teo ambony, niaraka nianjera taminy. Raha ny fanazavana azo dia tsy nisy ny aina nafoy, saingy vokatr’izay fahatapahan’ny tetezana izay dia tapaka tanteraka ihany koa iny lalam-pirenena fahefatra iny nanomboka tamin’io alin’ny sabotsy io. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza. Vokatry ny fahanteran’ny fotodrafitrasa sa vokatry ny lanja tafahoatra teo amin’ilay fiarabe ? Ny fampahafantarana ofisialy nataon’ny teo anivon’ny Ministeran’ny asa vaventy, dia hoe « vokatry ny fianjeran’ny kamiao iray teo ambonin’ny tetezana no nahatonga izao fahatapahan-dalana izao ». Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa nidina teny an-toerana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Efa nosokafana ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ity loza ity.

Maro tamin’ireo mpampiasa iny lalana mianavaratra mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga iny no efa mba ravoravo kely tamin’ny fahavitan’izany lalana izany, indrindra fa amin’izao ankatoky ny fialan-tsasatra lehibe izao saingy  toa niato kely indray hafaliana vokatr’ity tranga ity. Na izany aza anefa, nampanantena ny Ministera tompon’andraikitra fa efa an-dalana ny fanamboarana, ary efa eo am-panomanana ny hanavao tanteraka ny tetezana izy ireo. « Mirefy 22 metatra ny halavan’ny tetezana metaly misy amin’izao fotoana izao io, izay nahitana fahatapahana. 30 metatra kosa ny halavan’ny tetezana Bailey kasaina hapetraka mba hiantohana ny fitohizan’ny fifamoivoizana ». Mandra-pahavitan’izay anefa aloha dia efa nisokatra omaly ihany ny lalana vonjimaika izay efa nahafahan’ny fiara rehetra nandeha.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici