- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversMangarano : Mpangalatra taribin’ny Jirama tratry ny fitsaram-bahoaka

Mangarano : Mpangalatra taribin’ny Jirama tratry ny fitsaram-bahoaka

Ny herinandro nivalona iny, dia nisy olona iray niharan’ny fitsaram-bahoaka, raha nikasa ny hangalatra taribin’ny Jirama nilatsaka tamin’ny tany vokatry ny rivodoza “AVA” tao amin’ny fokontany Mangarano II. Raha ny fanazavana azo tamin’ny polisy nisahana ny raharaha noho ny antso voarain’izy ireo, dia olona roa lahy izy ireo no nikasa hangalatra ity taribin’ny Jirama efa nipetraka tamin’ny tany fotsiny ity, ka ny iray no tena nikasa hanapaka ilay izy ; izay afa-nitsoaka raha vao tonga ny olona maromaro nanatona azy ireo; ny iray natao mpijery ireo olona mety handalo tamin’izao halatra izao anefa ity tsy afa-nitsoaka ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ity. Raha ny hevitry ny olona dia saika tapitra teo ny ain’ity mpangalatra taribin’ny Jirama ity, saingy tonga aloha ny polisy raha vao nahazo antso ka avotra ihany ny ain’ilay tovolahy tokony ho 30 taona teo. Taorian’ny fitsaboana azy dia niatrika ny fakana am-bavany azy teo anivon’ny polisy ny tenany araka ny fitorian’ny Jirama azy. Raha ny vaovao ihany koa, dia efa niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny raharaha ka miandry fitsarana am-ponja izy izao. Efa nambaran’ny tale jeneralin’ny Jirama teto Toamasina roa andro taorian’ny fandalovan’ny rivodoza, fa ny fangalarana ny taribin’ny Jirama latsaka amin’ny tany, dia sady olana amin’ny famerenana ny jiro haingana, no mety hampidi-doza ihany koa noho ny herinaratra mety miverina tampoka amin’izy ireny; izay hita fa efa manao ezaka ny mpiasan’ny Jirama ankehitriny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici