- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMangarivotra Toamasina : Mihorohoro ny mponina, noho ireo vondrona tanora lian-drà

Mangarivotra Toamasina : Mihorohoro ny mponina, noho ireo vondrona tanora lian-drà

Mihorohoro ny mponina ao Mangarivotra amin’izao fotoana izao, tonga ao amin’ny tananan’izy ireo, ireo « tanora lian-drà » avy ao RN2 Bis. Miandahy miambavy izy ireo amin’izany. Nanomboka ny zoma teo nitohy ny sabotsy ary mbola nisy ny alahady teo dia olona telo no efa noratrain’izy ireo saingy tsy nisy zavatra nalainy teny aminy. Tanora lahy sy vavy mirongo zava-maranitra sy hazo izy ireo. Izay mifanehitra aminy dia ratrainy avy hatrany, ary miantsoantso izy ireo manao hoe « mivoaha izay sahy… », hoy ny fanazan’ny mponina nitantara ny zava-misy. Ny sabotsy teo no betsaka izy ireo, ary raha nisy niantso zandary sy polisy ny olona dia efa samy tsy hita ireto andian-jatovo ireto sahala amin’ireny « foroche » tany Antsiranana ireny, hoy ny mpitsara iray monina eny Mangarivotra nanatri-maso ny zava-nisy. Raha iverenana dia nahafaty olona ireto andian-jatovo antsoina « FLM » (Fikambanan’ny Lian-drà Mahery), izay nitranga ny alahady teo ao amin’ny RN2 Bis, ary tsy nisy zavatra very teny aminy hatramin’ny findainy mbola teny aminy.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici