Accueil Faits-Divers Manja : Lehilahy mpaka an-keriny sy mpanolana voasambotra

Manja : Lehilahy mpaka an-keriny sy mpanolana voasambotra

Manja : Lehilahy mpaka an-keriny sy mpanolana voasambotra

Tsy vitan’ny alainy an-keriny ireo zazavavikely ataony lasibatra fa mbola ampiharan’ity jiolahy ity ny filan-dratsiny ihany koa. Tao anatin’ny hetsika “coup de poing” nataon’ireo pôlisy avy ao amin’ny fitaleavam-paritra Menabe, dia jiolahy rain-dahiny iray no voasambotr’izy ireo ny andron’ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny telo ora hariva tany ho any. Jiolahy, efa fatan-daza tanteraka amin’ny resaka fakàna an-keriny sy raharaha fanolanana, izay nampitondra faisana iny distrikan’i Manja iny ity voasambotra ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena hatrany. Tao anatin’ny fotoana vitsy tokoa izay dia niha-nirongatra sy nisesisesy ireo trangana tsy fandriam-pahalamena tany amin’iny faritra iny. Izay antony izay indrindra no nametrahan’ny pôlisy tany an-toerana paik’ady manokana entina miady amin’izany resaka tsy fandriam-pahelamana, niha-nahazo vahana izany. Nandritra ny fametrahana izay paik’ady izay indrindra no nahafahan’izy ireo nanjono ity jiolahy rain-dahiny ity, izay tsy afa-bela tao anatin’ny haraton’ireo pôlisy. “Nahitam-bokany izany ka izay no nahatratrarana ity jiolahy efa malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny ireo zaza any an-toerana ity. Rehefa natao ny fakana am-bavany ity olon-dratsy ity dia izy avokoa no ambadik’ireo resaka fakana an-keriny miseho ao Manja. Aolan’ity jiolahy ity ireo zazavavikely alainy ary rahonany amin’ny antsy, hoy hatrany ny fanazavana azo. Marihina fa olon-dratsy efa ela nokarohin’ireo mpitandro filaminana any an-toerana ity voasambotry ny pôlisy ity. Raha tsy misy ny fiovàna dia anio no hatolotra eo anivon’ny Fampanoavana ingahirainy.

m.L

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici