- Publicité SW45 -
mercredi, avril 17, 2024
AccueilFaits-DiversTsy fandriam-pahalemana eto Toamasina : Haparitaka amin’ireo toerana mafana ireo mpitandro ny...

Tsy fandriam-pahalemana eto Toamasina : Haparitaka amin’ireo toerana mafana ireo mpitandro ny filaminana

Nilaza ny kaomisarian’i Toamasina I ao Bazary kely, kaomisera Rakotovao Jean Christian, fa haparitaka amin’ireo toerana misy tsy filaminana sy fanendahana ny polisy eto Toamasina. Nisy vokatra izany ny fidinana tampoka sy fisafoana matetika atao amin’ireo toerana matetika hitrangan’ny tsy filaminana sy ny fanendahana, an’isan’izany ny tao amin’ny Bazary Ambolomadinika sy ny manodidina, ny tao Bazary kely ary ny tao amin’ny Cité Jardin… Ny anton’izao fandefasana polisy isaky ny toerana mafana sy hitrangan’ny fenendahana izao, dia entina hanamora ny fifehezana izany, ka hisy amin’ireo polisy ny handeha an-tongotra, hisy koa ireo polisy handeha fiara.

Na teo aza ity finiavana amin’ny polisy eto Toamasina hifehy ny tsy filaminana sy ny fanendahana ity, dia nitrangana vono olona indray tao Tanambao Verrerie Pelle 21/73, ka raim-pianakaviana tokony ho 42 taona no voatifitry ny jiolahy tamin’izany. Raha ny fanazavana dia tokony tamin’ny 01ora maraina no nitrangany tao amin’ity fokontany ity, ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 800.000 ariary tao an-trano. Taorian’izany dia mbola notakian’ireo jiolahy koa ny kaodsin’ny MVola an’ireto lasimbatra ahafahana mamindra ny vola ao anatiny ao anatin’ny findain’ireo jiolahy. Efa eo am-pelantan-tananan’ny polisy ny raharaha amin’izao ka ho hita eo tohiny. Ankoatra izay dia ny tanjona amin’izao hetsika izao ataon’ny polisy mametraka polisy isaky ny toerana tsy milamina sy ahita mpanendaka izao, hoy ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, dia ny hampiaina ao anatin’ny filaminana maharitra ny vahoakan’i Toamasina, ka afaka miantso mivantana ny laharana 034 05 531 30 ireo olona mahita tranga hafahafa.  

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici