Lehilahy telo no voasambotry ny Polisy ao Manja ny Alahady 15 septambra lasa teo noho ny resaka vaky trano. Velo-taraina ireo mponina ao amin’ny distrikan’i Manja nohon’ny famakiana trano misesisesy tany an-toerana. Maro ireo fianakaviana very entana fa indrindra ireo olona very biby fiompy izay mba hany fanan’ireo tantsaha. Manoloana izany dia tsy nipetra-potsiny ny Polisy ao an-toerana fa nanao ny fisafoana sy ny fitadiavana ireo nahavanon-doza. Roa herinandro taty aoriana dia tratra ambodiomby teo am-pamakiana tranona fianakaviana iray ny lehilahy miisa roa ary mbola tratra teny amin’izy ireo ny fahitalavitra «écran plat» izay vao azony tao amina’ilay tokantrano novakiany. Lehilahy iray ihany koa no nosamborina izay fantatra fa mpividy ireo entana halatra. Tamin’ny fanadihadiana no nahalalana fa mampiasa fanafody gasy izy ireo rehefa mamaky trano ary rendriky ny torimaso avokoa ireo olona ao an-trano ka tsy maheno azy ireo mangalatra ny entana. Fa ny tena mahavariana sy nampiaiky ny olona fa mahery tokoa ny ody gasin’ireto jiolahy ireto dia ny nahitana fa tsy vaky akory ny trano nefa dia tafaavoakan’ireo olona ireo tao ity fahitalavitra goava-be ity. Efa mpameri-keloka ny iray amin’izy ireo dia izao tra-tehaka izao indray. Nidoboka am-ponja vonjy maika avokoa moa izy telo lahy ireto rehefa natolotra ny Fitsarana.
Voarisoa Davidson