- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversManja : Zandary iray maty voatifitry ny dahalo

Manja : Zandary iray maty voatifitry ny dahalo

Zandary iray indray no lavo teny an-tanim-piadiana omaly maraina tany amin’iny distrikan’i Manja iny. Araka ny fanazavàna azo dia nisy fanafihan-dahalo tany an-toerana. Niroso tamin’ny fanenjahana sy fanarahan-dia ireto malaso ny zandary. Tafalatsaka tao anatin’ny velam-pandrik’ireo malaso anefa ireto farany, ary raikitra teo ny fifampitifirana. Tamin’izay fotoana izay no lavo, voan’ny bala ny zandary iray, ary namoy ny ainy. Tao anatin’ny andro vitsy monja tokoa izay dia miisa telo ireo zandary namoy ny ainy, raha tsy hiteny fotsiny ny tany Namorona, ny tany Anjozorobe, ary ity farany tany amin’ny distrikan’i Manja ity. Tamin’ity no be indrindra ireo zandary namoy ny ainy, hoy ny fanazavàna azo. Nahatratra 14 izany, raha niisa fito ny tamin’ny taon-dasa. Tsy misy very maina ny rà nalatsak’ireny maherin’ny fo ny firenena ireny. Raha raisina tsotsotra ny lahateny nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Paza Didier, nandritry ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona nataon’ireo fianakaviamben’ny zandary tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava omaly dia ny hoe : « Manao ny ainy tsy ho zavatra ny zandary amin’ny fiarovan’ny olona sy ny fananany. Ary  raha misy zandary iray maty, dia mivoaka ny toby ireo namany hanenjika ireo nahavanon-doza ». Tsy hadinon’ity tompon’andraikitra voalohan’ny zandary ity ny niondrika am-panajàna sy nanokana iray minitra hanginana nandritra izany lahateniny izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici