- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversManjakandriana : « Epiceries » dimy notetezin’ny jiolahy, tovolahy iray maty voatifitra,...

Manjakandriana : « Epiceries » dimy notetezin’ny jiolahy, tovolahy iray maty voatifitra, maro ireo naratra

Nirefodrefotra ny basy, nandriaka ny rà. Toeram-pivarotana enta-madinika miisa dimy no lasibatry ny andian-jiolahy mirongo basy, tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambohimiadana, ao amin’ny kaominina Ranovao, distrika Manjakandriana. Vokany, vola sy entana miteti-bidy any amin’ny 20 tapitrisa ariary latsaka any ho any no lasan’ireo olon-dratsy. Tovolahy iray no maty voatifitra, ary saika naratra avokoa ireo tompon-trano tamin’ity fanafihana mivaivay, izay nitranga ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Notetezin’ireo olon-dratsy tsirairay ireto toeram-pivarotana ireto tamin’io fotoana io. Saika nodarohan’izy ireo tsy nanany antra avokoa moa ireo tompon-trano tamin’io fotoana io, mba handrahonana azy ireo sy hanekeny hamoahany ny vola. Rehefa nahare ny kotaba sy ny feom-basy ny tovolahy iray, dia niezaka nitsirika ny zava-nisy teny ambaravaran-keliny. Tamin’izay fotoana izay anefa no niantefa teny amin’ny vavam-basy. Namoy ny ainy teo ho no eo ihany ity farany. Rehefa nahita ity tranga mampirohoro-koditra ny mponina dia samy niery mafy. Tao ihany koa anefa no niezaka nandositra tany an’ala, ary niezaka niantso vonjy ny zandary. Araka ny fanazavàna azo hatrany dia toerana somary mitokatokana sy saro-dalana ity tanana ity. Sarotra ihany koa anefa ny fifandraisana, manginy fotsiny ny ora-mikija sy ny rivotra mifofofo mafy. Hany ka ora vitsivitsy taorian’ny fanafihana vao voaray ny antson’ireo voatafika. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary. Natao avy hatrany ny savahao saingy tsy nisy hita ireo olon-dratsy. Na izany aza anefa, nisy olona iray, izay efa voasambotry ny fokonolona taorian’ilay fanafihana. Tsy anisan’ireo nandray anjara mivantana tamin’ilay fanafihana izy io, raha ny fanazavàna azo, saingy kosa ahiana ho mpiray tendro tamin’ireo olon-dratsy. Nentina natao andrimaso avy hatrany tany Manjakandriana moa ity farany hanaovana famotorana.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici