- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Fampiasana hosoka sy fisandohana andraikitra, olona roa naiditra am-ponja

Manjakandriana : Fampiasana hosoka sy fisandohana andraikitra, olona roa naiditra am-ponja

Lehilahy miisa roa, mpamily fiarabe ny iray ary mpitantana trano fisotroana ny iray, ireo no voatery nosamborina sy nanokafana fanadihadiana teny anivon’ny pôlisim-pirenena, ny herinandro teo, noho ny vesatra hanenjehana azy ireo. Iry voalohany, noho ny fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka ary fitondrana vokatra azo amin’ny fitrandrahana ala tsy nahazoana alalàna ary kolikoly. Ity faharoa kosa, fisandohana andraikitra noho ny filazàny fa manambonahitra ambony. Teny amin’iny lalam-pirenena faharoa iny no niseho ity tranga ity, ny herinandro lasa teo raha nanakana fiarabe nitondra entana ny pôlisy, teo Manjakandriana. Araka ny fampahafantarana azo dia vokatra azo tamin’ny fitrandrahana ala no nentin’ilay kamiao. Araka ny lalàna manan-kery dia tokony hisy taratasy ara-dalàna, manaraka izany vokatra izany. Nitaky azy io ny pôlisy saingy rehefa nojerena ireo taratasy dia hita fa sandoka. Nogiazan’ny pôlisy avy hatrany ireto taratasy ireto. Niezaka nanome vola an’ireto pôlisy ireto ilay mpamily, hoy ny vaovao saingy tsy nandray ireto farany satria fandikan-dalàna sy kolikoly izany. Rehefa hitan’ilay mpamily fa tsy « nety ny tantana » dia nirifitra nitsoaka avy hatrany ity farany. Natao ny fanenjehana ary tsy lasa lavitra dia voasambotra. Niainga indray teo ny fanivaivana mpitandro filaminana ary nilaza ity farany fa hiantso manambonahitra ambony afaka manafaka azy. « Saingy tsy mbola nanaiky izany ny Polisy fa nanohy ny asany », hoy ny vaovao. Notanana natao andrimaso avy hatrany ingahirainy ho amin’ny famotorana. Nezahina nofantarina ihany koa ilay olona niantso ireo pôlisy izay milaza manambonahitra ambony ka fantatra fa olon-tsotra, io tompona trano fisotroana io. Nosamborina ihany koa mazava ho azy ity farany, noho ny fisandohana andraikitra sy fanivaivana pôlisy manao asany. Niaraka natolotra ny Fampanoavana izy ireo ary voalaza fa samy nidoboka am-ponja vonjimaika avokoa, miandry ny fotoana hitsaràna azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici