Iray maty, telo naratra mafy ! Fiara nitondra « colis » manao ny zotra amin’iny lalam-pirenena faharoa iny no nifaoka olona maromaro teo Volavia, Manjakandriana, omaly vao maraina. Tsy vitan’izay anefa fa mbola namotika barazin’ny zandary teo Carion ihany koa izany fiara izany.
Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena nahazo ny mpamily an’ity fiara an’ny orinasa mpitatitra malaza iray ity. Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany teo mantsy, avy any amin’ny faritra Atsinanana, handeha hihazo an’Antananarivo ity fiara no nirimorimo fatratra. Tonga teo amin’io toerana io, PK47+800, dia nofaohiny tsy am-pisalasalana ireo olona maromaro teny amin’ny sisin-dalana. Tantsaha, fianakaviana iray, izy ireo, izay nikasa ny handeha hiasa tany vao maraina. Naratra mafy vokatr’izany dona nahazo azy ireo izany ireto farany, izay nahitàna raim-pianakaviana roa niaraka tamin’ny vadiny avy. Nentina novonjena haingana nihazo ny tobim-pahasalamana moa ireto voadona ireto, saingy ny iray tamin’izy ireo, vehivavy 35 taona, no namoy ny ainy teny an-dalana, noho ny habetsaky ny rà very taminy.
Tamin’io fotoana io dia tsy mba nijanona akory tamin’izany loza nataony izany ilay fiara fa mbola nanohy ny diany nirimorimo fatratra hatrany. Tamin’io ihany koa dia efa nahazo fampandrenesana ireo zandary misahana ny sakana amin’iny lalam-pirenena iny. Nasain’ireo zandary teo amin’ny barazy teo Carion nijanona moa izany fiara izany, saingy tsy noraharahian’ny mpamily velively fa vao mainka nopetehiny indray izany sakana izany. Nanomboka teo ny fanenjehana azy ary tsy tratra mihitsy raha tsy taty Ambohimalaza. Teo no ho eo ihany moa dia nosamborina ny mpamily an’izany fiara izany, tovolahy iray 27 taona. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Manjakandriana. Nampanantsoina ihany ny tompon’ny fiara, ho amin’izay fanadihadiana izay, raha ny fampitam-baovao azo. Raha tsy misy ny sampona dia anio no atolotra eny anivon’ny Fampanoavana izy ireo. Raha ny mikasika ireo naratra dia samy nahazo fitsaboana ao amin’ny hôpitaly ao Manjakandriana avokoa izy ireo ary tsy misy atahorana ny ainy, raha ny vaovao azo.
m.L




