- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Lehilahy maty nokaikerin’ny alika

Manjakandriana : Lehilahy maty nokaikerin’ny alika

Lehilahy iray 55 taona no hita faty tany amin’ny tanàna antsoina hoe Tsarasaotra any Manjakandriana ny faha-4 novambra teo. Rehefa tonga nizaha ny razana ny zandary sy ny dokotera dia nanamarika ity farany fa maty tamin’ny 10 ora alina vokatry ny kaikitra alika ity lehilahy ity. Nahitana diana kaikitra teo amin’ny tendany, ny ranjony havia sy havanana ary ny lohany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa toa hoe avy nisotrosotro tsy lavitra nahitana ny fatiny ity olona ity. Nilaza ny avy ao amin’ny disitirika fa hisy ny hetsika fanapoizinana alika mirenireny any an-toerana.

Fa ankoatra izany, lehilahy iray ihany koa no hita faty teny amin’ny faritra Anosipatrana ny sabotsy lasa teo. Tokony ho tamin’ny folakandro no nahitana ny razana. Ny maraina dia mbola hita velona izy io. Ankeviny ho namoy ny ainy noho ny hanohanana ity lehilahy ity. Ireny olona mpirenireny tsy manana trano hitoerana ireny ity nindaosian’ny fahafatesana ity.

r.s

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici