Anisan’ny toerana iray, lalan’ny dahalo rehefa avy manao ny asa ratsiny na hoe kizo ihany koa ny amin’ity tananan’Ambohibehasina, ao amin’ny kaominina Ambanitsena ity, araka ny fanazavana azo. Izay indrindra no antony nanosika ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, fa indrindra ny teo anivon’ny farim-piadidian’ny zandary eto Antananarivo ny hanorina ity foto-drafitrasa, “poste fixe” teo an-toerana ity. Ankoatr’ity toerana ity dia mbola hisahana fokontany miisa sivy ao amin’ny kaominina Ambanitsena ity zana-tobim-paritra ity : Antovontany, Ankadindoha, Tsaradidy, Ambatolampikely, Soavina, Ambatokely, Ambohifangitra, Ambohibehasina ary Ambanitsena. Ambon’ny fitandroana ny filaminana izay moa dia ilaina amin’ny vonjitaitra raha misy loza amin’ny lalam-pirenana faharoa ihany koa ireo zandary miasa ao. Notokanana ny faran’ny herinandro teo izany foto-drafitrasa izany, izay marihana vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny olona tsara sitrapo, malala-tanana sy ny zandarimariam-pirenena. Tonga nitarika izany moa ireo tompon’andraikitry ny zandary, nahitàna ny Kaomandin’ny farim-piadidian’ny zandary eto Antananarivo, ny Kly Jocelyn Randrianarijaona, ny Kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga ary ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, notronin’ireo olo-manan-kaja sivily sy miaramila tao an-toerana.
m.L