- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Niparitaka ny fasana, razana 121 isa nanjavona

Manjakandriana : Niparitaka ny fasana, razana 121 isa nanjavona

Tsy misy afa-tsy razana iray sisa no hita tao am-pasana. Raha ny fanazavan’ny fianakaviana izay tompon’izany anefa dia nahatratra 122 isa ny nalevina tao. Niparitaka erak’ilay toerana ny karan-doha, sanatria toa ireny fako ireny hoy ny fitantaran’ny tompom-pasana izay sady tezitra no kivy manoloana ny zava-nitranga. Tao amin’ny fokontany Ambohinierana-Antsahalalina, ao amin’ny

Vakin’i Mananara, andriampamaky (Antsahalalina) distrikan’i Manjakandriana no nitrangan’izany heloka bevava izany, nandritry ny faran’ny herinandro teo. Izany hoe raha nankalaza ny fetin’ny fahaleovan-tena ny iray tanàna dia nisy koa ny nararaotra nanao ny asaratsiny. Raha ny fanazavana azo avy any an-toerana dia nirongatra nandritr’io fotoana io ny vaky fasana. Mbola nisy hafa ihany koa mantsy, tao amin’ny fokontany Soavinandriana, kaominina ambanivohitra Ambatomena, ao amin’ny distrika mitovy hatrany, novakin’ny olon-dratsy. Ireo taolan-dava no nobatain’ny mpamaky fasana ary ny karan-doha kosa natsipitsipy toa ny fako, arak’izay voalaza teo. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana nosokafana. Toa ny mahazatra ihany. Saingy hatrizay dia tsy mbola nahavaly fanontaniana izay nanitikitika ny maro mihitsy ny fanadihadiana nandeha. Samy manana ny filazany arak’izany ny olona ny amin’izay mety hampiasaina ireo taolam-paty. Misy ny milaza fa ampiarahina amin’ireny rongony avo lenta ireny ny vovok’izy ireo dia lasa mahery kokoa ny heriny. Misy indray koa ny manazava fa entina hanafenana volamena mba tsy ho voataratry ny “laser” rehefa mandalo amin’ny fitiliana eny amin’ny fadin-tseranana sy ny seranam-piaramanidina. Ao koa ny manazava fa ampiasaina amin’ireny kojakoja fanatsaràna endrika ireny ny vovoky ny taolam-paty. Nijanona ho tombatombana daholo ihany izany satria tsy mety tonga hatramin’ny farany ny fanadihadiana. Na ny atidoha mpikotrika aza dia tsy mety azo…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici