jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Roalahy nangalatra tariby an’ny Jirama 200 m voasambotra

Manjakandriana : Roalahy nangalatra tariby an’ny Jirama 200 m voasambotra

Olona roa avy nangalatra tariby ny Jirama mirefy hatrany amin’ny 200 m no tratran’ny mpitandro filaminana teny ambony taxi-brousse avy any Manjakandriana tamin’ny talata lasa teo. Tamin’ny fisavana natao no nahatrarana azy ireo. Rehefa nofotorana ry zalahy ireo dia nanoro ny namany telo hafa, vavy sy lahy. Ny vaovao voaray hatrany no nahafantarana fa efa misy tambajotra mangalatra tariby mihitsy any amin’iny faritra iny sy ny toerana hafa. Rehefa natao ny famotorana azy ireo dia nilaza ry zalahy fa rehefa mahazo ireo « fil »izy ireo dia eny « la Réunion kely » ireo « entana » azony no amidiny. Amin’izay fotoana izany, hamidy amin’ny kiloa ny tariby. Izay tsy lafo eny, hoy hatrany ny vaovao, entina any Ambatolampy. Efa tena kinga amin’ny halatra ireto olona ireto satria vonona amin’ny zavatra rehetra. Manana karazana lamba handraisana ny « fil » ry zalahy ho fiarovana amin’ny loza mety hitranga. Tsy vao izao no nandrenesana halatra sahala amin’izao fa efa fotoana elaela mihitsy. Ny resaka re etsy sy eroa no hilazana fa lasibatra hatrany ny any amin’ny toerana lavitra mpitandro filaminana any. Tany aloho tany, raha vao maty tampoka ny jiro ao an-trano dia efa mifanaraka ny mponina mivoaka ny trano mijery izay zavatra miseho. Hita tokoa, amin’ny ankapobeny, fa misy mangalatra ny tariby. Rehefa mampilaza any amin’ny tompon’andrikitra avy eo, misy tokoa ny fandraisana anjara. Indro kely anefa, tsy maintsy fotoana elaela vaotafaverina ny jiro.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici