- Publicité -
vendredi, novembre 20, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManjakandriana : Trano telo notetezin'ny varatra

Manjakandriana : Trano telo notetezin’ny varatra

Tao anatin’ny oram-be no nisesy koa ny filatsahan’ny varatra tao Ambohitrolomahitsy, ny alarobia hariva teo. Trano miisa telo tao an-toerana no notetezin’ny varatra ary tena nirehitra tanteraka ny iray tamin’izany. Tsy vitan’izay aza fa mbola nandratra koa ny olona izay tao anatin’io trano io. Renim-pianakaviana iray no torana tsy nahatsiaro tena taorian’ny nilatsahan’ny varatra. Mba avotra ihany izy ary tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity tranga izay sady mampalahelo no mahatonga saina. Tsy ampy ve ny fandri-baratra na tsy nisy mihitsy tamin’ireo trano telo nandalovan’ny varatra? Matetika mantsy, ara-teknika, dia io ihany no mety manazava ny loza ateraky ny filatsahan’ny varatra raha ho an’ny trano fonenana. Mila fandri-baratra ny trano mba hialàna amin’ny loza toa izao.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici