- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManjakaray : Maty novelesiny “bois rond” ny rahalahy am-panambadiana

Manjakaray : Maty novelesiny “bois rond” ny rahalahy am-panambadiana

Omaly no nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay nahavanon-doza rehefa avy natolotra ny fampanoavana etsy Anosy. Vonoan’olona niniana natao ny fiampangana azy. Toy izao ny zava-nitranga. Nahita ny rafozany sy ny mpirahalahy am-panambadiana aminy nifamaly ny tenany. Netim-po ary tao anatin’izany no naharay hazo izay nantsoiny ho “bois rond” tany anaty fanadihadiana. Nokapohany tamin’izany ny lohan’ilay lehilahy iray ka nivoaka rà avy hatrany ny sofiny sy ny vavany. Nitarika ny fahafatesan’io farany izany fahavoazana izany. Ny marainan’io no nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana misahana ny heloka bevava, avy ao amin’ny BC, ary nanomboka nanao fanadihadiana. Tsikaritra teo fa maty nisy namono ilay lehilahy. Nisokatra teo ihany koa ny fanadihadiana ka izany no nahafantarana ny fisian’ny fifamaliana, voalohany teo amin’ny lehilahy iray sy ny rafozany, ny fisian’ny lehilahy iray hafa izay namono ny iray tamin’ireo nifamaly. Natao ny fikarohana ny nahavanon-doza ka rehefa voasambotra izy dia niaiky tokoa ny heloka vitany, raha araka ny vaovao nampitain’ny pôlisy. Tsy fantatra kosa na tao anatin’ny hamamoana na tsia ny fifamaliana izay niteraka izao vonoan’olona izao, no niseho.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici