- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManjakaray : Rangahy iray voatifitra teo an-tokotany

Manjakaray : Rangahy iray voatifitra teo an-tokotany

Raha mba niarakaraka tamin’ny namany sy ny fianakaviany teo an-tokotaniny ilay rangahy no nisy basy nipoaka tampoka. Lehilahy iray izay nandeha môtô no nitifitra azy avy aty amin’ny arabe. In-telo nirefotra ny basy ary nanaitra ny fiarahamonina izany. Ny alin’ny alatsinainy teo, manodidina ny tamin’ny sivy ora, raha mbola nisokatra ny vavahadin’ny tokotany no nipoaka tampoka ny basy ary nisesisesy. Samy nanavotra ny ainy ireo olona niara-nikorana tamin’ilay rangahy tompon-trano. Raha ny fiheverana ity tranga ity dia ny ainy mihitsy no nofofoina satria tsy nisy naratra afa-tsy izy tenany tamin’ireo olona. Mba tsy nahazo azy ny bala roa voalohany fa ilay iray farany no nahazo ny tongony ary niteraka ratra. Voatery nentina teny anivon’ny hopitaly izy mba ho fanavotana ny ainy. Ireo vatan-dehilahy dia samy niezaka nanenjika ilay môtô ihany saingy vetivety dia nanjavona izany. Inona ny antony hifofofana ny ain’ity rangahy ity? Raha ny vaovao azo dia efa in-telo izay izy no nisy nisompatra toa izao. Tamin’ny voalohany, tamin’ny taon-dasa, dia nisy nandraraka asidra ny tenany, mbola teo Manjakaray ihany koa no nitranga izany. Mbola nitohy izany fisomparana izany tamin’ny volana jolay teo : nisy olona roa nandeha môtô nitifitra azy tamin’ny asidra. Tamin’io tranga faharoa io dia tsy voa ny tenany fa kosa ny vady aman-janany no niantefan’izany. Hametraka fitoriana eny anivon’ny pôlisy ilay fianakaviana niharan’ny fifofoana aina.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici