Miisa fito izy ireo, miandahy miambavy. Ary saika ireo mpanangom-bokatra sy ny tantsaha no tena ataon’izy ireo mitondra faisana. Raha ny voalaza dia efa ela no nikarohan’ireo polisy azy ireo noho ny fitarainana marobe voarain’izy ireo saingy tafaporitsaka hatrany ireto farany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy afa- niala intsony ry zareo. Voaray tao anaty vovo daholo izy rehetra noho ny ezaky ny polisy misahana ny heloka bevava. Araka ny fampitam-baovaon’ny polisy hatrany dia fisolokiana avo lenta eo amin’ny resaka varotra no tena nahafantarana sy nampitondrain’ireo olon-dratsy ireto faisana olona maro. Fivarotana na fividianana vokatry ny tany, toy ny vary na katsaka na voamaina hafa. Eny amin’ny tambajotra sosialy no tena fanjonoan-dry zalahy ireto ary efa tetika maty paika sy tsara homana ho handraisan’ireo lasibatra mba ho tena tafalatsaka tsara. Misy soa aman-tsara ny fifanaharana ara-barotra ataon’izy ireo, ny fanomezana vodiondrim-barotra na ny ampaham-bola mialoha entina handresena lahatra tsara ilay voajono. Tsy vitan’izay fa mbola mampiasa fiara sy trano hofaina mihitsy ry zareo miampy karam-panondro sandoka entina handresena lahatra ireo lasibatra mba hampino sy hampatoky tsara ireto fa farany. Ny olana anefa, hoy hatrany ny fampitam-bavaon’ny polisy, dia vao azon’ireto mpisoloky ireto ny entana dia any izy ireo tsy hita popoka intsony miaraka amin’ny ambim-bola. Vola tsy kely velively hoy hatrany ireo mpanao famotorana fa efa an-tapitrisany maro. Efa maro ireo voa ary efa maro ireo nametraka fitarainana teny anivon’ny sampan-draharahan’ny polisy misahana ny heloka bevava mahakasika azy ireo. Voatsimpona tsirairay izy ireo rehefa nandeha ny famotorana ary niafara tamin’izao fisamborana azy rehetra izao, tao amina tokantrano iray teny Manjakaray teny, ny 31 martsa lasa teo. Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny talata lasa teo moa izy ireo ary samy nadoboka eny Antanimora avokoa miandry ny fotoam-pitsarana azy.
Nanentana hatrany moa ny polisy mba ho mailo manoloana ireo karazana fisolokiana maro. “Aza mora matoky raha tsy mazava sy voamarina ny antontan-taratasy sy ny olona ifampiraharahàna”
m.L




