Loza no nitranga tao Manompana, distrikan’i Soanierana Ivongo, ao anatin’ny faritra Analanjirofo. Nisy hain-trano goavana tokony ho misasak’alina sy fahefany ny asabotsy teo. Afo efa teny am-bovonana no nanaitra ny maro, ka tsy nisy azo natao intsony afa-tsy famonjena ireo trano mbola tsy may. Adiny roa taty aoriana vao voafehy ny afo noho ny hetsiky ny mponina, satria nisy ireo trano voatery noravaina mba tsy hitaran’ny afo. Tsy manana fiara mpamonjy voina sy haintrano moa ny ao Soanierana Ivongo, saingy mbola lavitra be koa ny ao Fenerivo Atsinanana izay nahazo izany tamin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny volana jona teo. Raha ny trano levon’ny afo, araka ny tatitra avy any an-toerana, dia misy eo amin’ny 30 eo, ary an-jatony ireo tra-boina vokatr’izany, ka manao antso avy amin’ny BNGRC mikasika ny fanampiana sy fanarenana ireo may. Nisy ny manararaotra fa tsy mamonjy akory, ka maro ireo very fahitalavitra sy hafa tamin’ny famonjena natao. Eo an-dalam-panadihadiana nahatonga ity haintrano goavana tao Manompana ity ny zandary Soanierana Ivongo.
Malala Didier




