Nifamatotra ny tànana sy ny tongotr’izy roa. Tanora roa izay mpifankatia, Tolotra sy Ravo, no hita faty vao maraina tao amin’ny farihin’ny Mantasoa. Efa nandefasana filazàna fikarohana ihany izy roa ireo andro vitsivitsy mialoha izao izy ireo hita faty izao. Taitra ny mponina teo amin’ny manodidina omaly vao maraina raha nahita azy ireo natsingevan’ny rano. Hatreto dia famonoan-tena niaraka no eritreretina nitranga. Na izany aza anefa tsy maintsy nanokatra fanadihadiana ny zandary. Isan’ny fanontaniana nipetraka tamin’ny olona rahateo ny fomba namatoran’izy ireo tena nialoha ny nitsorahana tao amin’ny ranobe. Omaly ihany dia nandifotra ny tambajotra sosialy ity tranga ity. Tsy navela hiara-dia izy ireo satria mbola kely. Samy mbola mpianatra ao Mantasoa ihany izy roa kely izay nifankatia fatratra ireo. Nametraka hafatra an-taratasy izay hita teo amin’ny manodidina ny razana ihany. Isan’izany ny fanirian’izy ireo mba tsy hampidirina am-pasan-drazana fa anirotra ary mifampitodika ny vatana amin’ny fandevenana. Mitovy tantara tamin-dRabeniomby sy Ravolahanta izany ity tranga ity. Izy ireo koa dia namono tena tao amin’ny farihin’ny Tritriva rehefa tsy navela hiaraka. Ary dia lasa lovan-tsofina izay lasa tantaran’ilay farihy. Angamba mila fanentanana sy fampianarana mafy sao ho lasa fanao koa, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny Facebook lasa mitady ho fitaratry ny fiarahamonina izao.
D.R




