- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMantasoa : Tovolahy mpanao vacance, maty an-drano

Mantasoa : Tovolahy mpanao vacance, maty an-drano

Naharitra ora maromaro teo ny fikarohana azy, saingy efa vatana managatsiaka sisa no nampiakarin’ireo mpamonjy avy any. Tovolahy iray manodidina ny 20 taona no namoy ny ainy tao amin’ny ranon’i Mantasoa ny andron’ny alatsinainy teo. Raha ny angom-baovao azo dia tovolahy mipetraka eny amin’iny faritra Antohomadinika iny izy, izay azo heverina fa nandeha niala sasatra niaraka tamin’ireo fianakaviana, kanjo dia izao loza izao no niseho. Talohan’io fotoana io tokoa mantsy, raha ny loharanom-baovao azo hatrany dia niaraka tamin’ireo fianakaviany, nandeha irony sambokely haingam-pandeha irony izy, nandeha nihodidina ny farihy. Voalaza fa tsy mbola tonga tanteraka teo amin’ny fiantsonany akory ilay sambokely no nahita ny namany tery amoron-drano izy ka niezaka nanatona an’ireo tamin’ny lomano. Nanondro tamin’ny iray antoandro teo ny famataranandro. Vantany vao nitsoraka tao anaty rano anefa ity tovolahy ity, dia somary nilentika sy nipoitra. Niezaka niantso vonjy ihany saingy segondra maromaro fotsiny ihany dia tsy nipoitra intsony. Niezaka nanavotra sy nitady famonjena avy hatrany ireo olona niaraka taminy saingy toa natelin’ny rano izany izy. Nampandrenesina avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny teo an-tanàna, niaraka tamin’ireo mpitandro ny filaminana, izay tonga tsy niandry ela. Vory lanona teo ihany koa ireo fokonolona. Ireto farany niaraka amin’ireo tompon’andraikitra moa no nifandimby nikaroka ity tovolahy natelin’ny rano ity. Adim-pamataranandro dimy latsaka kely teo, izany tokony ho tamin’ny enina ora hariva latsaka fahefany tany vao hita ary nampiakarina avy anaty rano ny vatana mangatsiakan’ity tovolahy ity. Taorin’ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany moa dia efa nomena ireo fianakaviana ny razana. Tetsy andanin’izay kosa, satria nisy aina nafoy dia nandray an-tanana ny raharaha tamin’ny fanokafana ny fanadihadiana ny avy eo anivon’ny tobim-paritry ny zandary avy ao Mantasoa. Mbola ao lazaina fa anatin’ny fotoanan’ny fialan-tsasatra tokoa isika izao ary maro ireo miala ny toerana mahazatra, hihazo tanin’olona. Tokony samy ho tonga saina amin’izany ny tsirairay ary samy hitandrina amin’ny lafiny rehetra, na amin’ny fahadiovan’ny tanàna hitodiana io na amin’ny fanajana ny fomban-tany sy ireo mponina mipetraka mandavantaona ao. Indrindra indrindra moa fa any amin’ireo toerana misy rano na ranomasina. Mazana tokoa mantsy zavatra kely foana, hanaovana z’inona no lasa mampidi-doza, nanimba tanteraka ilay fikasana hiala sasatra.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici