- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversMarasakoana-Betsiboka : Fanafihan-dahalo, olona telo maty notifirin'i Del kely

Marasakoana-Betsiboka : Fanafihan-dahalo, olona telo maty notifirin’i Del kely

Del kely sy ny ekapany miisa folo nitondra basim-borina sy kalaky sy zava-maranitra no tonga nanafika tany amin’ny tanàna antsoina hoe Marosakoana, fokontanin’Ambanja, kaominina Keliloha, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka, ny Alarobia 02 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Avy hatrany dia niditra an-keriny tao amin’ilay tanàna voalaza etsy ambony ireto jiolahy ireto. Sady nanapoaka basy izy ireo  no nitsoka kiriorioka nentina nandemena ny iray tanàna. Rehefa nahare ny poa-basy sy ny fanafihan-dahalo ny olona dimy lahy dia nikasa hitsoaka, ka teo  no nitifiran’i Del kely sy ny namany azy ireo. Vokany : olona telo no maty tsy tra-drano ary olona roa naratra voatiftra teo amin’ny tongony  sy ny tanany. Ireo jiolahy kosa tetsy an-daniny nandroba ny omby tao am-bala, ka lasan’izy ireo nandritra izany ny omby miisa dimapolo teo an-tanàna. Tsy niandry ela izy ireo, fa nitsoaka nandositra avy hatrany rehefa nahazo ilay omby. Efa nanomboka taitra ny teo amin’ny manodidina raha nandre ny feom-basy sy nahita an’ireo olona dimy nitsirara teo amin’ny tany. Tonga ihany koa ny zandary raha vao nampandrenesina ary tsy niandry ela fa niroso tamin’ny fanenjehana ireo malaso. Efa lasa lavitra tany amin’ny efapolo kialaometra tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohimatazana ireo vao nifankatratra, ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Naharitra ora maro ny fifandonana, ary lasa nitsoaka nandositra i Del kely sy ekipana rehefa tsy naharesy tosika, ka raraka avokoa ireo omby dimapolo. Efa natolotra ny tompony kosa ny omby rehetra. Noezahin’ny fokonolona nentina namonjy hopitaly ao amin’ny kaominin’Andriamena ireo olona roa naratra voatifitra. Marihina fa tsy nisy naratra na ny namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana teo amin’ireo jiolahy sy ny zandary. Mbola mitohy ny fikarohana ireo dahalo hatramin’izao.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici