« Feno ny fepetra hisamborana an’i Marc Tatandraza noho ireo heloka maro sosona nataony tao anatin’ilay horonan-tsary naparitany roa andro lasa izay », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary omaly. Karohina araka izany izy io ka miantso izay manam-baovao mahakasika azy ny zandary handefasa hafatra miafina na someso na mampandre ny mpitandro filaminana izay akaiky azy indrindra. Hivoaka tsy ho ela ny filazana fikarohana azy amin’ny fomba ofisialy. « Atao tsiambaratelo sy arovana ny mahakasika ny loharanom-baovao », hoy ny fanazavana avy amin’ny zandary. Tsy mbola hita izy io izany, raha vao andro vitsivitsy izay no nivahiny tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra. Nanjavona tampoka ny lehilahy, izay mety efa nahafantatra fa hokarohina. I Marc Tatandrazana izay efa voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny ankizy tsy ampy taona miisa 12 tamin’ny taona 2017. Nisy ihany koa ny fanaovan’ity lehilahy ity sary maty ary nilaza fa nitsangana tamin’ny maty. Voalaza koa fa hoe dahalo niova fo izy io. Efa voasambotra ny taona 2018 ary nivoaka ny fonja taty aoriana. Niseho tamin’ny tambajotra sosialy matetika, niakatra tamin’ny fahitalivitra ary io nandefa video maneho karazam-pampihorohoroana sy fihantsiana io. Nandray andraikitra ny mpitandro filaminana noho izany nilaza fa ampy ny fepetra hisamborana ity lehilahy ity. Andrasana ny tohin’ny raharaha, ho tratra indray ve i Marc Tatandraza ary ho afaka vetivety ? Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Yv Sam