Ny 25 desambra lasa teo no natao nanakoako eran’ny tambajotra sosialy ny nahafatesan’i Marc Tatandraza, ilay mpitondra fivavahana, izay karohin’ny mpitandro filaminana fatratra noho ireo fandikan-dalana maro nataony tany amin’iny faritra maro teto amin’ny nosy. Omaly anefa, nandefa hafatra tao amin’ity tambajotra sosialy ity indray ilay olona milaza mpitondra teniny, fantatra amin’ny anarana hoe Loholona Rabarisolo fa hoe niverina tety amin’ny tanin’ny velona ity olona arahiny ity. « Fahagagana lehibe, nitsangana amin’ny maty i Marc Tatandraza. Efa tany an-danitra izy fa nampodina indray. Koa amin’izao fotoana izao dia mivezivezy any amin’ny toerana tsy hita maso any i Apostoly Marc Tatandraza », hoy ilay fanambarana. Miaraka amin’ny sary mihitsy izay. Sarin’izy ireo teo am-bodifasana voalaza fa nandevenana an’ilay ranamana io, tany Bekily, ary misy ny lamba namonosana an’i Tatandraza tamin’ny nandevenana azy eo akaikiny. Tena izy sa sarimihetsika araka vinavinan’ny maro. Dia tsy hay aloha fa na ny horontsary nalefan’ity mpitondra teny ity tamin’ny nahafatesany aza dia efa nampiteraka resabe teo anivon’ny tambajotra sosialy.
m.L